<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>H. Isaak</author>
<lyrics>[V1]
 Ny andro efa lany
 Mangina izao ny tany,
 Miala sasatra ;
 Heveronao, ry saina,
 Fa mendri-koderaina
 Ny Raiko ao an-danitra.

[V2]
 Na maty masoandro,
 Ka alina ny andro,
 Tsy mampaninona.
 Fa Jeso, Izay sakaiza,
 Dia ao fa tsy mankaiza,
 Ho tena Masoandroko.

[V3]
 Hatory izao ny maso,
 Ry Tompo mba andraso
 Ny ondrikelinao ;
 Ny teny sy fanahy
 Sy izay rehetra ahy
 Atolotro harovanao.</lyrics>
<title>Ny andro efa lany FFPM721</title>
<hymn_number>721</hymn_number>
</song>